Ephesians 6

1Ry zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo ao amin’ny Tompo, satria mety izany. 2“Hajao ny rainao sy ny reninao” (izany no didy voalohany misy fampanantenana), 3“mba hahita soa ianao ary mba ho lava andro iainana eto ambonin’ny tany.”

4Ianareo ray, aza mitondra ny zanakareo ho amin’ny fahatezerana. Fa kosa, tezao amin’ny fitsipika sy ireo fampianaran’ny Tompo izy ireo.

5Ry mpanompo, mankatoava ny tomponareo ety an-tany amin’ny haja ambony sy fangovitana, amin’ny fahatsoran’ny fonareo. 6Mankatoava azy ireo tahaka ny hankatoavanareo an’i Kristy. Mankatoava tsy eo imason’ny tomponareo ihany mba hankasitrahan’izy ireo. Fa kosa, mankatoava tahaka ny mpanompon’i Kristy, izay manao ny sitrak’Andriamanitra amin’ny fonareo manontolo. 7Manompoa amin’ny fonareo manontolo, tahaka ny hoe manompo ny Tompo ianareo fa tsy olona, 8satria fantatsika fa na inona na inona asa tsara ataon’ny olona tsirairay, dia handray valim-pitia avy amin’ ny Tompo izy, na andevo izy na olon’afaka.

9Ianareo Tompo, manaova tahaka ireo zavatra ireo ihany koa amin’ny mpanomponareo. Aza mampihorohoro azy ireo. Fantatrareo fa Izy izay sady Tomponareo no Tompon’izy ireo dia any an-danitra, ary tsy misy fiangarana ao Aminy.

10Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny tanjaky ny heriny. 11Itafio ny fiadian’Andriamanitra rehetra, mba afahanao mijoro manohitra ireo tetiky ny devoly.

12Fa ny adintsika dia tsy manohitra ny nofo sy ny rà. Fa kosa, manohitra ny fanjakana sy ny fahefana ara-panahy sy ireo mpanapaky ny fanjakan’ny fahamaizinan-dratsy, manohitra ireo fanahy ratsy any amin’ny fitoeran-danitra. 13Noho izany itafio ny fiadianan’Andriamanitra rehetra, mba afahanareo mijoro amin’izao andron’ny ratsy izao, ary rehefa vitanareo ny zavatra rehetra, dia hahatohitra ianareo.

14Mijoroa, noho izany, rehefa avy nanao ny fehikibon’ny fahamarinana sy ny fiarovan-tratran’ny fahitsiana ianareo. 15Ary tahaka ny kiraro ho an’ny tongotrareo, dia hapetaho ny fahavononana hitory ny filazantsaran’ny fihavanana. 16Amin’ny toe-javatra rehetra dia raiso ny ampingan’ny finoana, izay afahanareo manohitra ireo zana-tsipika mirehitr‘afon’ilay ratsy.

17Ary raiso ny aro-lohan’ny famonjena sy ny sabatry ny Fanahy, izay tenin’Andriamanitra. 18Amin’ny vavaka sy fangatahana rehetra, dia mivavaha amin’ny Fanahy amin’ny fotoana rehetra. Amin’izany fomba fisainana izany, dia miambena hatrany amin’ny faharetana rehetra, raha manolotra vavaka ho an’ireo olo-masin’Andriamanitra ianareo.

19Ary mivavaha ho ahy, mba hisy hafatra homena ahy rehefa manokatra ny vavako aho. Mivavaha mba afahako mampahafantatra amin’ny fahasahiana ny fahamarinana miafina momban’ny filazantsara. 20Ho an’ny filazantsara no maha- ambasadaoro voafatotra amin’ny gadra ahy, mba afahako manambara izany am-pahasahiana, raha tsy maintsy hiteny aho.

21Tykiko, ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ao amin’ny Tompo, no hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra, mba hahalalanareo izay ataoko. 22Nirahiko taminareo izy noho io tanjona io indrindra, mba hahafantaranareo ireo zavatra momba anay, ary mba afahany mampahery ny fonareo.

23Fiadanana ho amin’ireo rahalahy, ary ny fitiavana miaraka amin’ny finoana avy amin’Andriamanitra Ray sy ny Tompo Jesosy Kristy. 24Ny fahasoavana anie ho amin’izay rehetra tia an’i Jesosy Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy maty mandrakizay.

Copyright information for PltULB